La Gazette de la grande ile

Mpanao pôlitika : fatahorana ny higadra no olana

Publié le 11 août 2018

Tsy misy izay tsy mahalala fa nanodinkodim-bolam-bahoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny mpitondra nifanesy teo. Tsy izany ihany fa mbola nisy koa ny kolikoly avolenta izay nataon’ny mpitondra ambony sy ny olona manodidina azy ary ny mpiasam-panjakana ambony. Mbola iaraha-mahita koa ny fanondranana antsokosoko andramena, vatosoa, volamena ary ny biby tsy misy eran-tany raha tsy eto Madagasikara izay nataon’ireo olona ireo. Tamin’ity fitondrana farany ity sy ny fanjakana tetezamita dia nalaza be ny fivarotana ny haren’i Madagasikara tamin’ny Sinoa ka nahatonga ny raharaha Soamahamanina, Betsiaka Ambilobe, Mananjary, Fandriana ary Ambatofinandrahana sy ny maro hafa koa. Natao varoboba i Madagasikara.

Mitady ny marina amin’izany ny vahoaka Malagasy ankehitriny ary te hahalala marina ny olona rehetra tena voakasik’ireny raharaha ireny. Mitaky ny fitsarana ireny raharaha ireny ny vahoaka satria ireo no fototr’izao fahantrana lalina misy eto amin’ny firenena izao. Mazava dia mazava ny raharaha fa ireo olona izay efa nitondra ireo miaraka amin’ny olona manodidina azy no tena ao anatin’ireo. Fantatra ny Malagasy manontolo izany ary tsy takona afenina intsony fa mibaribary toa ny tafika andrefan-tanàna.

Ireo zavatra notanisana eo ambony ireo no fototra ny olana pôlitika misy eto Madagasikara ankehitriny. Ambinambiny no sisa. Matahotra ny hanaovana fanadihadiana sy fitsarana mahakasika ireo ny mpanao pôlitika Malagasy fa indrindra ireo efa nitantana firenena sy ny mbola mitondra amin’izao fotoana izao. Mazava ho azy fa natao sorona amin’izany i Razaimamonjy Claudine, izay mpandraharaha fotsiny ihany ary lazaina fa tompon’andraikitra amin’ireny rehetra ireny. Tsia dia tsia ny valiny satria tsy ity ramatoa ity no namoaka ny vola tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana na koa nanao sonia ny famoahana izany vola izany, ary tsy nanao an-tery koa ireo olona ambony isan-karazany izay miandraikitra ny famoahana ireny volam-panjakana ireny. Amin’ny maha mpandraharaha azy dia nidirany avokoa ny sehatra rehetra nisy ny tsenam-panjakana. Rariny sy hitsiny izany satria izay no asany fa tokony ho fantatra koa ireo olona niaraka taminy rehetra. Hatrany Iavoloha izany ka hatrany amin’ny ministera isan-karazany. Nahoana no najanona ny fanadihadiana ireo olona hafa? Inona no antony tsy aneren’ny filoham-pirenena hanohizana izany satria izy no filoha ambonin’ny fitsarana  sy ny foloalindahy. Sa isan’ny miaro tena koa ny tenany?

Tsy tamin’ity fanjakana ity ihany no fantatra fa efa mpandraharaha ity ramatoa ity fa efa hatrany amin’ny taona 2002. Fantatra fa nanana fifandraisana arak’asa tamin’ny mpitondra tamin’izany ka hatramin’ny fanjakana tetezamita ary amin’izao fotoana izao.

Isan’ny nangatahan’ny vahoaka ny hiasan’ny HCJ na ny Fitsarana ambony. Ity rafitra ity izay natao hitsara ny olona ambony eto amin’ny firenena. Tafatsangana izy io nefa toa mijery fotsiny ity raharaha ity. Nandiso fanantenana ny vahoaka izy io, ary inoana fa misy ny sakana pôlitika ataon’ireo mpanao pôlitika amin’ny asany izany eo. Rahoviana vao hisy ny filoham-pirenena hanaovana fanadihadiana toa ny misy any ampitan-dranomasina ireny? Miandry zavatra maro avy amin’ny Bianco sy ny Samifin ny vahoaka nefa toa matoritory izy ireo ankehitriny.

Ireo antony ireo no olana pôlitika eto Madagasikara ankehitriny. Misy ny lalàm-pifidianana izay naroson’ny governemanta iny, ka nahatonga izao zava-misy ankehitriny izao ka nampizara roa ny mpanao politika nomba ny fanjakana. Ary ny tsy ao anatin’ny fitondram-panjakana mitaky fanarenana ifotony aloha vao tokony hiditra amin’ny fifidianana.

Ady be no mitranga ankehitriny satria matahotra ny higadra avokoa ireo mpitondra sy mpanao pôlitika maloto eto amin’ny firenena. Manao izay hisakanana ny fanaovana fanadihadiana azy izy ireo. Matahotra ny fitsarana ka mamoromporona lalàna sy fifanarahana pôlitika antsokosoko hamiliviliana ny marina.

Ny fifidianana no heverin’ny mpanao pôlitika maloto teto hialana amin’izay figadrana izany, ka izany no antony iadian’izy ireo mafy andaniana vola tsy toko tsy forohana ankehitriny hanaovana izay hahalany azy. Mividy olona, mampanao rindran-kira, manao kobaka am-bava ary mampiseho fa masina eo anatrehan’ny vahoaka. Fitaka nefa izany ka mila mtandrina isika. Na izany aza dia ny tantara tsy maty ary tsy maintsy hisy farany ihany ireo fomba ratsy ankehitriny ireo.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi